Psalms 77

Fahatsiarovana ny amin’ ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa.

1

2Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy. 3Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina. 4Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. [Sela.] 5Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny. 6Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela. 7Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe: 8Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy? 9Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny? 10Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? [Sela.] 11Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’
Na: Nefa tsarovako ny taon’
ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
12Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; 13Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao. 14Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna
Na: amin’ ny fahamasinana.
ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
15Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao. 16Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. [Sela.] 17Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina. 18Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao. 19Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio
Na: dia nikodiadia.
; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
20Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao. 21Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
Copyright information for Mg1865